Ahoana ny fomba ahazoako famelan-keloka avy amin'Andriamanitra?

Manambara ny Asan'ny Apostoly 13:38 : “Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo.”

Inona ny famelan-keloka ary maninona no mila izany aho?

Ny teny hoe "mamela" dia midika mamafa madio ny solaitra, tsy mitahiry ny hadisoana ataon'ny hafa amin'ny tena, mamafa trosa. Rehefa manao ny tsy mety amin'ny olona iray isika dia mangata-pamelana aminy mba hiverenan'ny fihavanana simba amin'ny laoniny. Ny famelan-keloka dia tsy omena satria mendrika ny havela heloka ny olona iray. Tsy misy olona mendrika ny havela heloka. Ny famelan-keloka dia porofom-pitiavana, famindram-po ary fanomezam-pahasoavana. Ny famelan-keloka dia fanapahan-kevitra tsy hitana am-po ny ratsy nataon'ny hafa, na inona na inona nataony taminao.

Milaza amintsika ny Baiboly fa mila famelan-keloka avy amin'Andriamanitra avokoa isika rehetra. Samy efa nanota daholo isika. Mpitoriteny 7:20 dia manambara, “Fa tsy misy olona marina ambonin'ny tany izay manao tsara ka tsy manota.” Hoy ny 1 Jaona 1:8, “Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika”. Ny fahotana rehetra dia fikomiana amin'Andriamanitra avokoa. (Salamo 51:4). Noho izany, tena ilaintsika fatratra ny famindram-pon'Andriamanitra. Raha toa ka tsy voavela ny helotsika dia hiaina am-pijaliana mandrakizay noho ny fahotantsika isika (Matio 25:46; Jaona 3:36).

Famelan-keloka - Ahoana ny fomba ahazoako izany?

Soa ihany fa be fitiavana sy be indrafo Andriamanitra, ka maika ery Izy ny hamela heloka antsika! Manambara amintsika ny 2 Petera 3:9 “…fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra. Maniry ny hamela heloka antsika Andriamanitra, ka dia nanome famelan-keloka ho antsika izy.

Ny hany sazy mendrika ny antsika noho ny otantsika dia ny fahafatesana. Ny tapany voalohany amin'ny Romana 6:23 dia manambara “Fa fahafatesana no tambin'ny ota...”. Ny fahafatesana mandrakizay no azontsika amin'ny fahotana vitantsika. Ao amin'ny drafitr'asany tonga lafatra dia lasa olombelona Andriamanitra, dia i Jesosy Kristy (Jaona 1:1,14). Maty teo amin'ny hazo fijaliana i Jesosy, nanefa ilay sazy mendrika antsika, dia ny fahafatesana. Mampianatra antsika ny 2 Korintiana 5:21 “Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika”. Maty teo amin'ny hazo fijaliana i Jesosy, nanefa ilay sazy mendrika antsika! Amin'ny maha-Andriamanitra azy, ny fahafatesan'i Jesosy dia nanome famelan-keloka ny olon-drehetra manerana izao tontolo izao. Manambara ny 1 Jaona 2:2, “Izy no fanatitra fampiononam-pahatezerana noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa". Nitsangana tamin'ny maty Jesosy, naneho ny fandreseny ny ota sy ny fahafatesana (1 Korintiana 15:1-28). Derao Andriamanitra fa tamin'ny alalan'ny fahafatesan'i Jesosy sy ny fitsanganany tamin'ny maty dia marina ny tapany faharoa amin'ny Romana 6:23, “…ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika".

Tianao havela ve ny helokao? Moa ve ianao manana fahatsapan-tena ho meloka mandrera-tsaina izay toa tsy tsapanao hiala tao an-tsainao? Hisy famelana ny helokao raha toa ianao ka mametraka ny fitokianao amin'i Jesosy Kristy ka mandray Azy ho Mpamonjy Anao. Hoy ny Efesiana 1:7 manao hoe “Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany". Nanefa ny trosantsika Jesosy mba ho voavela heloka isika. Ny hany mila ataonao dia ny mangataka amin'Andriamanitra hamela ny helokao amin'ny alalan'i Jesosy, mino fa maty nanefa ny onitry ny famelan-keloka anao Jesosy, dia havelany ny helokao! Ao amin'ny Jaona 3:16-17 dia misy hafatra mahagaga manao hoe "Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao".

Famelan-keloka - mora tahak'izany tokoa ve izy io?

Eny, mora tahak'izany! Tsy afaka ny hahazo famelan-keloka avy amin'Andriamanitra ianao. Tsy afaka ny hanefa ny tambin'ny famelan'Andriamanitra ny helokao ianao. Ny fomba tokana hahazoanao an'io dia amin'ny alalan'ny finoana, fahasoavana ary famindram-pon'Andriamanitra ihany. Raha toa ianao ka te-hanaiky an'i Jesosy Kristy ho Mpamonjy anao sy homen'Andriamanitra famelan-keloka dia ity misy vavaka azonao atao. Ny fanaovana ity vavaka ity na vavaka hafa tsy hahavoavonjy anao. Ny finoana an'i Jesosy Kristy ihany no ahazoana famelan-keloka. Ity vavaka ity dia fomba iray fotsiny entinao manambara amin'Andriamanitra ny finoanao Azy sy entinao misaotra Azy noho ny famelan-keloka omeny anao..

"Andriamanitra ô, fantatro fa nanota taminao aho ary mendrika ny ho saziana. Nefa i Jesosy Kristy nanefa ny sazy mendrika ahy mba ho voavela ny heloko amin'ny alalan'ny finoako Azy. Apetrako aminao ny fitokiako ho famonjena ahy. Misaotra Anao noho ny fitahianao sy ny famindram-ponao mahagaga! Amena!"



AMAZING GRACE BIBLE INSTITUTE